Autisme Madagascar : hanangona ny mombamomba ireo « autiste »

Hanangona ny mombamomba ireo olona manana toe-tena «autiste» na zaza na ankizy na olon-dehibe manerana ireo masoivoho sivy misy ny fikambanana ny Autisme Madagascar, araka ny fizaram-baovao nataony. Tanjona ny hahazoana lisitra ahafa­han’ny fikambanana mangataka amin’ny fanjakana ho tafiditra anatin’ireo mpisitraka ireny karazana fandaharanasa momba ny fiahiana ara-tsosialy ireny. Manentana ny rehetra na tsy mpikambana aza kanefa manan-janaka na manana havana “autiste” hisoratra ana­rana ny tomponandraikitra.
Alefa hafatra miafina amin’ ireo solontenan’ny fikambanana isaky ny faritra misy ilay olona hafakely ny mombamomba azy. Analamanga, Antsirabe, Fianarantsoa, To­liara, Taolagnaro, Moraman­ga, Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana no efa misy ny masoivohon’ny fikambanana.
Nitsangana ny taona 2015 ny Fikambanana Autisme ham­piroborobo ny zon’ny olona ha­fakely amin’ny alalan’ny fanen­tanana momba ny autisme eny anivon’ny fiarahamonina. Manome fiofanana ireo mpisehatra voakasiky ny fandraisana an-tanana koa izy ireo. Ma­nana mpilatsaka an-tsitrapo maro manerana ny masoivoho sivy ny fikambanana. Efa nisy fivoarana lehibe ny fahafantaran’ny mponina momba ny au­tisme eto amintsika ary maro ny sehatra nijoro misahana ny zaza autiste amin’ny fanabeazana, fahasalamana…

Vonjy

Partager sur: