Nihintsana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipa malagasy isan-tarika, lehilahy, teo amin’ny taranja badminton. Fihaonana notanterahina omaly alatsinainy, teny amin’ny kianja mitafo Zone Forello Tanjombato. Niondrika tamin’ny isa, 3 no ho 0, nanoloana an-dry zareo maorisianina, i Julio Keman sy i Tianarivo ary i Tokinirina.
Efa nampoizina ihany ny vokatra satria ekipa efa andrarezina aty Afrika ny maorisianina, amin’ity badminton ity. Seta 2 no ho 0 avokoa ny nahazoan’i Maurice ny fandresena. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny famaranana ihany koa i Maldives, raha nampiondrika an’i La Réunion tamin’ny isa mazava 3 no ho 0.
Hionona amin’ny fiadiana ny medaly alimo izany ny Malagasy, hifanandrinana amin’i La Réunion. Hiady ny medaly volamena kosa i Maurice sy i Maldives. Hitohy anio ny fifanintsanana ka ny lalaon’olon-tokana, lehilahy sy vehivavy, no hatrehina.