Basikety 3×3 : noraofin’ny Malagasy ny medaly volamena roa

Nampiseho ny tanjany tanteraka ny ekipa malagasy, niatrika ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, taranja basikety lalaovin’olona 3. Norao­fin’ny Ankoay avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tetsy amin’ny kianja basikety Mahamasina. Nanjaka tanteraka ny Malagasy, hatrany am-piandohan’ny fifaninanana, ho an’ny taranja basikety 3×3. Tsy nisy afa-bela nanoloana ny Ankoay ireo mpifanandrina taminy. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nataon-dry Muriel, Sydie, Chine ary Christiane tsy nisotro rano ry zareo Renioney ary notoheriny hatramin’ny farany. Isa 21 no ho 9 no namontsanan’izy efa-bavy an’i La Réunion. Fandresena lehibe 21 no ho 11 kosa ny nandavoan’ny Ankoay lehilahy ny ekipan’i Mayotte. Nanjakan’i Livio sy ny ekipany hatramin’ny farany ny lalao. “Manomboka mioty ny vokatry ny ezaka natao hatramin’izay eo amin’ny ta­ranja basikety 3×3 ny Malaga­sy mpilalao”, hoy ny nambaran’ ny filohan’ny federasiona mala­gasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel. Tanjona manaraka, hoy izy, ny hijery ny 4 taona manaraka ary hanome lanja ny fifaninanana ho an’ny tanora sy ny sokajy vehivavy. Mikasa ny handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika basikety 3×3, ho amin’ny telo tao­na manaraka, i Madagasika­ra. Tonga nanotrona sy niarahaba ny ekipan’ny Ankoay teny Mahamasina, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Haja André.

Partager sur: