Nodimandry ny alahady 27 aogositra teo, Rasamimanana Rochel fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ilay solon’anarana « Petit ». Izy no filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy. 66 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny federasiona, hampandalovina etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ny nofomangatsiakan’ity andrarezin’ny hiragasy ity, ny alarobia 30 aogositra izao, amin’ny 10 ora maraina, mialoha ny hitondrana azy any an-tanindrazany Amboanana Arivonimamo. Ny zoma 1 septambra kosa no hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany Amboanana Arivonimamo ihany.
Fantatra fa ny taona 1969 Rasamimanana Rochel no nanomboka nirotsaka teo amin’ny tontolon’ny hiragasy ka ny tarika Ramilison Andohavary no nisy azy tamin’izany. Taona 1980, tao amin’ny tarika Sahondrafinina Zanany i « Petit ». Ny taona 1982 kosa no nanomboka namoron-kira izy.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’i « Petit » sy ny Federasion’ny mpihiragasy, ny hiragasy ary ny tontolon’ny zavakanto manontolo ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto