Fanehoana firaisan-kina: namondrona ny heriny ny zanak’Isandra

Ho filamatra eo amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ny distrikan’Isandra. Ni­songadina izany tamin’ny hetsika nataon’izy ireo, ny herinandro teo, tao Isorana. Ni­aiky ireo mpitarika ny amin’ny fahapotehan’ny fihavanana sy ny firaisan-kina. “Azo averina manomboka amin’ny tsirairay ary miitatra hatrany amin’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny fanabeaza­na  sy ny serasera. Efa natombok’izy ireo izany, amin’ny alalan’ny fijerena ireo ankizy sy tanora ary ny vehivavy eo anivon’ireo kaominina miisa 13, mandrafitra ny distrikan’i Isan­dra. Niarahana nijery tamin’izao fihaonam-be izao koa ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. ”Hifantoka amin’ny fampiofanana ireo tantsaha sy fanomezana tohana ary fampitaovana izany”, hoy izy ireo. Manampy izany ny paikady ho amin’ny fandriampahalemana ka tsy nahitana asan-dahalo, tao anatin’ny taona vitsy.

Synèse R.

Partager sur: