Hanatitra dosie ny kandidà Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle, ny zoma izao. Na izany aza, nametraka ahiahy izy ireo ka nanatitra taratasy teny amin’ny HCC sy ny Ceni mba tsy hifamitahana. Naka toky amin’ny hahamatotra ny fifidianana sy nitaky ny ahafahan’ny rehetra mirotsa-kofidina izy ireo.
Raikitra ny fihaonambem-pirenena hotarihin’ny FFKM. Hisokatra, anio eny amin’ny ISTS, Mandriamena izany. Hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, hitohy amin’ny fandinihana ny raharaha anatin’ny fiangonana sy ny Andrimaso FFKM ny fihaonana hatramin’ny rahampitso. Anjaran’ny mpisehatra politika kosa, ny alakamisy izao.
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny Anosy, tamin’ny farany herinandro, ny mpianatra ho mpisolovava miisa 40 misalotra ny anarana ”Loharano”. Niofana tao amin’ny Institut de formation professionnelle des avocats (IFPA), Ambatobe, taona 2022-23, izy ireo. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa mahakasika mivantana ny fiainan’ny olona ny asan’ny mpisolovava ka tena saro-pady.