Filoha Andry Rajoelina tany Mandoto : “Ho taonan’ny fandresentsika ity 2023 ity”

Nanotrona ny famoahana ny andiany faha-44 eo anivon’ny Akademia Miaramila (Acmil), ao Antsirabe ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Nitohy tany Mandoto ny fitsidihany niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny.

“Tsy misy hahatohitra antsika na ny fahavalo na ny mpifaninana. Ho taonan’ny fifaninanana sy hahazoantsika fandresena ny 2023”, hoy izy, tao Mando­to, omaly, tamin’ny fitokanana ny valan-javaboahary any an-toerana. Notsiahiviny fa mandray ny lalaon’ny Nosy isika izao ary mibata medaly volamena ma­robe. Tsy misy ma­haresy rehefa miray hina. Tsy haharesy antsika ireo Nosy sy ny mpifaninana amintsika, araka ny nambarany. “Tsy maintsy mandresy ny miaraka amin’ny filoha Rajoelina”, hoy izy. Nitohy tamin’ny fanolorana moto ho an’ireo ben’ny Tanàna izany.
Mialoha izany, nampita hafatra ho an’ireo andiany faha-44, mitondra ny anaran’i “Didier Ratsiraka” nivoaka ao amin’ny Acmil, Antsirabe ny filoha. Nambarany fa maneho hafatra mafonja, mirakitra ny tantara ny sainam-pirenena ary mampiray ny vahoaka. “Tandrovy toy ny anakandriamaso ny hampiray hatrany ny Malagasy ary aoka tsy hanaiky ho zarazaraina isika”, hoy izy. Nanteriny fa hita ny firaiketam-po amin’ny fitiavan-tanindrazana, fototry ny maha miaramila ka ilaina tokoa izany, araka ny nambarany.
Vonona ny hiatrika ny zava-drehetra, hiaro ny tombontsoan’ny firenena, sy ny mpiray tanindrazana, araka ny nambarany hatrany. ”Ho mpiaro ny fiandrianam-pirenena, ary handray anjara amin’ny fandriampahalemana sy hiaro ny tanindrazana ianareo. Tsy mijanona eo amin’ny fa­namiana, na ny galona izany fa ho amin’ny fahitsiana sy amin’ny fahamendrehana ao anatin’ny iraka ho tanterahinareo”, hoy ny filoha.

Synèse R.

Partager sur: