Nisitraka hanam-pamokarana, tamin’ny alalan’ny tetikasa PURPA, ireo kaominina valo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny herinandro teo. Nahatratra 292 ny tantsaha nahazo ny masomboly vary milanja 2 628 kg, zezika NPK 4 380 kg sy zezika biolojika 21 900 kg. Tetikasa enti-mampiroborobo ny famokarana sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny PURPA. Handrakotra faritra 20 eto Madagasikara izy ary hiasa mandritra ny roa taona. Miara-misalahy amin’izao tetikasa izao ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana toy ny Fiompiana fambolena Malagasy Norveziana (Fifamanor), ny Foiben’ny fikarohana momban’ny fambolena (Fofifa) sy ny maro hafa. Mahatratra 139 100 ny tantsaha manerana ny Nosy hahazo tombontsoa ka vehivavy ny 30% amin’izany. Fantatra fa 126 100 ny karatra maha mpamokatra hozaraina ka anisan’ny hahazo izany ny faritra Amoron’i Mania, toerana hiasan’ny tetikasa PURPA. Tsiahivina fa aman-taoniny maro ny zezika efa voazara tamin’ireo faritra samihafa manerana ny Nosy hoenti-mampiakatra ny vokatry ny tantsaha.
Henintsoa Hani