Tonga nankahery sy nanara-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo naratra nandritra ny zava-nitranga teo Mahamasina, teny amin’ny HJRA ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Tontolo iainana ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo marary, solon-dranom-boakazo sy bodofotsy izy ireo.
Herinandro sisa dia hisantatra ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 ny mpianatra eto Madagasikara. Hanomboka ny 4 septambra ka hatramin’ny 27 oktobra ho avy izao ny roa volana voalohany. Hisy fitsaharana voalohany ny fampianarana ny 28 oktobra hatramin’ny 5 novambra. Miatrika fiofanana ny mpanabe amin’izao fotoana izao.