Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), teny Manarintsoa Anatihazo Isotry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Nahazo antso tamin’ny vondron’ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Anatihazo Isotry ny polisy (CSP4) momba ny fisian’ity jiolahy iray namaky trano ity. Tsikaritry ny tompon-trano ny asa ratsy nataony tamin’io fotoana io ka tonga teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana. Niroso tamin’ny fisamborana azy ireo vondron’ny fandriampahalemana ireo. Tonga teny an-toerana naka ity jiolahy ity ny polisin’ny CSP4. Fantatra nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy fa jiolahy efa raindahiny amin’ny famakian-trano eny Isotry sy ny manodidina izy ity. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny hetsika fanamafisana fandriampahalemana ao Isotry sy ny manodidina. Ifamezivezen’olona maro iny toerana iny ka antony tsy maintsy anaovana fisafoana matetika.
J.C