Kalon’ny fahiny, ho vazon’ ny ankehitriny !

 

Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany ny filazana fa « kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny » ! Azo adika amin’ny hoe, hiverina eny am-bavan’ny Malagasy indray ny kalon’ny fahiny. Ho takany ny hevi-dehibe ampitain’ny tononkira ka hanana ny akony eo amin’ny fiainany. Tsy azo hadinoina fa fitaizana sy fanabeazana ary fampitan-kafatra ity karazan-kira iray ity.
Raha ho to tokoa ny « kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny ! », tafaverina ny maha lalim-pandinihana ny Malagasy. Hiaina ny fahendrena nananany hatramin’izay izy. Hitandrina ny fady, hatahotra ny tody, tsiny, sns. Tsy ho sahy hiboridandridana manoloana ny olom-pady ny tanora. Hanaja fatratra ny teniny izy ireo, sns. Ampahany amin’ny soa azo avy amin’ny fiainana indray ny kalon’ny fahiny ireo.
Hiverina any amin’ny taona 1930 ve izany ? Azo hiverenana ny tany aloha, fa ny tena zava-dehibe, mila mamorona. Lesoka goavam-be io. Tsy manana na tsy ampy mihitsy ny mpamorona kalon’ny fahiny sy ny hira iray tarika aminy toy ny bagasy, sns. Mihonona amin’ny famerenana ny teo aloha ny ankehitriny, hany ka zary toa lasa vakoka ny fandraisan’ny Malagasy amin’izao fotoana ny kalon’ny fahiny. Kamo sa kivy ny mpamorona ? Mety ho izy roa ireo mihitsy satria tsy lasa filàn’ny Malagasy intsony ny kolontsainy. Tsy fantany akory aza ny fisian’izany.
Mila mamorona ny mpamorona. Mihira ny mpihira. Mitendry ny mpitendry zavamaneno. Mandihy ny mpandihy dihy malagasy. Mampahafantatra ny vokatra, ny haino aman-jery. Mijery fampisehoana ny mpitia ny kanto… Samy mandray ny anjara manandrify azy avy ny tsirairay vao ho vazon’ny ankehitriny ny kalon’ny fahiny. Raikitra ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: