Korea Atsimo sy Madagasikara : hamadika ny otrikarena ho lasa harena

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny governemanta malagasy sy ny repoblikan’i Korea Atsimo. Hana­mafisana ny fahalalahan’ireo orinasa koreanina hampiasa vola eto Madagasikara. Mba hampivoarana ny fitrandrahana angovo sy ny harena an-kibon’ny tany eto Madaga­sikara. Manana tombony goavana i Madagasikara noho ny fananany harena voajanahary ary antoka lehibe hampiakarana ny toekaren’ny firenena izany. “Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny firenena mandroso sy ny famatsiana vola avy any ivelany mba hahafahana mamadika ny otrikarena ho lasa harena ary hanomezana asa ho an’ny Malagasy”, hoy ny ny minisitry ny Loharanon-karena sy harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herin­drainy Olivier. Marihina fa anisan’ny firenena mamatsy vola betsaka indrindra an’i Mada­gasikara ny firenena koreanina. Manamarika ny faha-30 taona niarahan’ny firenena roa tonta niasa ity taona 2023 ity.

Mino

Partager sur: