Nidina ifotony tao amin’ny orinasa Luxury ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny faran’ny herinandro teo.
Miavaka amin’ny fahaizany manao zaitra avolenta efa 23 taona ny orinasa Luxury. Manam-pikasana ny mpanorina hamindra ny fitiavana ny tontolon’ny zaitra sy ny famoronana. Antony nanokafan’izy ireo ny foibem-piofanana Luxury Embroidery School Anosiala ho fampandrosoana ny asa tanana.
Mandray mpianatra 20 eo ho eo ny foibem-panofanana. Anisan’ireo fepetra takina ny fananana fitiavana mamorona (créativité). Amin’ny alalan’ny fampitan-davitra avokoa ny fampianarana ary manao fanazarantena amin’ny horonantsary ny mpianatra. Vita amin’ny tanana avokoa ny asa sy ny kojakoja rehetra hita ao amin’ny orinasa ary araka ny filan’ny mpanjifa no hanaovany ny famoronana.
Hitondra fanatsarana ny tontolon’ny asa tanana eto amin’ny firenena ny ivontoerana
Luxury Embroidery School Anosiala ary hampiroborobo ny sehatry ny fanjairana noho ny famoronana asa aterany.
Vonjy