Laharana voalohany hatrany i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly amin’izao lalaon’ny Nosy, andiany faha-11 izao. Niampy 13 ny medaly volamena omaly.
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Madagasikara, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy ary 29 ny medaly alimo, norombahan’ny atleta malagasy. Misasaka sahady ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Hatreto, mbola voatazon’i Madagasikara ny laharana voalohany vonjimaika. Nitombo 13 ny medaly volamena norombahan’ny Malagasy, omaly alatsinainy 28 aogositra. Nitombo 8 kosa ny medaly volafotsy ary nitombo 11 ny medaly alimo. Anisan’ny mbola nanome medaly volamena ho an’ny Malagasy ny taranja fibatana fonjamby, izay nahazo medaly volamena 8 be izao. Nandrombaka izany medaly volamena izany, ny mpibata fonjamby malagasy, i Fanomezantsoa Cadeau teo amin’ny sokajy -81 kg, lehilahy, izay nahavita nibata 165 kg «arraché» sy «total olympique» 291 kg. Nahazo volamena ihany koa i Ezra -81 kg (133 Arraché) sy Tina Michel -89 kg (126 Arraché). Teo amin’ny sokajy lehilahy hatrany, nahazo medaly volamena roa avy i Claudio sy Mamintsoa. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, medaly volafotsy sy alimo no norombahan’i Soananahary Axelle – 81 kg sy i Harisoa Benjamine -76 kg.
Na isan-tarika na an’olon-tokana
Nandrombaka medaly volamena ny Judo isan-tarika vehivavy Niampy iray ihany koa ny medaly volamena azon’ny Malagasy teo amin’ny taranja Judo, omaly. Ny mpikatroka malagasy, teo amin’ny isan-tarika vehivavy, nahitana an-dry Laura sy ry Hajanirina Zo no nahazo izany. Tsiahivina fa tonga nanohana ireto judokas malagasy ireto teny Ankorondrano ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Andre Haja.
Medaly volamena 3 ho an’ny taekwondo «poomsae» Taranja anisan’ny mibata medaly maro ihany koa ny taranja taekwondo. Mbola niampy 3 ihany koa ny medaly volamena ho an’ity taranja ity, omaly, teny Mahamasina. Tsiahivina fa nifarana omaly ny Taekwondo ary medaly volamena 13 no azon’ny Malagasy. Mbola nahazo medaly ihany koa ny taranja lomano, omaly, teny Vontovorona. Azon’ny mpilomano ny medaly alimo teo amin’ny 400m relais lahy sy vavy ary mbola nahazo medaly alimo ihany koa i Tendry Tiavina teo amin’ny 200 m dos. Hiditra amin’ny famaranana anio ny taranja sasany, anisan’izany ny taranja ady totohondry, eny amin’ny Amphitheatre CCI Ivato.