Nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo delegasiona avy amin’ny firenena 7 mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, ao anatin’ny “Volet Jeunesse”, omaly. Nanangan-tsaina niaraka tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa izy ireo. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny lalaon ‘ny Nosy atao eto amin’ny firenena. Anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo koa ny fitsidihana ny toerana manan-tantara eto Antananarivo Renivohitra. Nanombohana izany ny tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Hitohy amin’ny fitsidihana ny Lapam-panjakana Iavoloha izany ho an’ny anio. Hitsidika ny Rovan’i Madagasikara eny Manjakamiadana kosa izy ireo, ny alarobia izao. Nandray ireo delegasionina ireo teny Analakely ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo ekipany, omaly.
Mino