Nidoboka am-ponja rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny raim-pianakaviana nanolana zazakely iray taona sy tapany tao Moramanga. Potika tanteraka ny fivavian’ilay niharam-boina…
Naiditra am-ponja vonjimaika ny raim-pianakaviana iray nanolana zaza tao amin’ny fokontany Amparafara, kaominina Ampasipotsy gara, distrikan’i Moramanga, ny faran’ny herinandro teo. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olon-dehibe tao amin’ny tokantrano fonenan’io zazakely io ity nahavanon-doza ity. Nivoaka ny renin’ny zaza ka nanampatra ny filany tamin’ny zaza vao 17 volana ilay rangahy. Nisy nahatsikaritra anefa ny habibiana nataon’ity farany. Simba tanteraka ny fivavian’ny zaza niharan’ny herisetra. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny renin’ny zaza.
Niaiky ny heloka vitany izy
Voasambotra ny nahavanon-doza, ny 24 aogositra teo. Niaiky heloka, notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary izy. Natao famotorana lalina, natolotra ny fampanoavana ilay mpanolana. Naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy. Tsikaritra fa mirongatra tato ho ato ny fanolanana zazakely sy ankizy. Misy aza ireo olona akaiky eo anivon’ny fianakaviana ihany no tompon’antoka amin’ izany. Maivana loatra ny sazy azon’ireo nahavanon-doza ka miverina manao ny ataony indray izy ireo rehefa tafavoaka ny fonja.
Tsiferana R.