Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora, ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Ireo tanora avy ao Comores no nisantatra ny sehatra, narahin’ny avy ao Maldives, ny tontolo andron’ny omaly. Tao anatin’ny hafalina sy haravoana tanteraka no nahatontosan’izany rehetra izany, taratra teny amin’ny endrik’ireo tanora mpandray anjara ny fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, amin’izao lalaon’ny Nosy izao.
Dihin-drazana, teatra nanehoana ny tantaran’ny nosy tsirairay avy; ireo no nasehon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Comores sy i Maldives omaly, nandritra ny seho an-tsehatra nataon’izy ireo. Ho an’ny avy ao Comores, tamin’ny alalan’ny teatra “Comores, comme or” no nampahafantaran’izy ireo ny tantaran’ny nosiny sy ny tolona nataon’ny mahery fon’ny fireneny, hatramin’ny taona 1975, nahatonga azy ireo tsy ho zanatany frantsay intsony. Teo ihany koa ny dihy “Sambe” sy ny “Biaia”, izay fandihy mampiavaka azy ireo.
Tsy ambakan’izay ihany koa ny nasehon’ireo tanora avy ao Maldives, nanehoan’izy ireo ny tantaran’ireo andevo Afrikanina nentin’ny Arabo mpivarotra, nandritra ny diany tany Azia, tany amin’ny manodidina ny taon-jato faha-11 sy faha-12 tany ho any. Nahafinaritra ary tena nankafizin’ny mpijery tao amin’ny Arena Ivandry ihany koa ny niangalian’izy ireo ny “Saga Maldiviens”.