Naharitra roa ora mahery ny fifanandrinan-dRanaivo Mialy sy i Girarde Emmanuelle, vehivavy mpilalao Tenisy Renioney, omaly, teny Ambohidahy. Tafavoaka mpandresy tamin’izany ny Malagasy rehefa nanenjika isa sy naka ny tapakila hanaovana ny manasa-dalana. Marihina fa i Mialy, anisan’ny mpilalao niatrika ny Billie Jean King, tamin’ity taona ity.
Nifarana, omaly, teny amin’ny Gymnase Mahamasina ny fifaninanana haiady taekwondo, lalaon’ny Nosy. Miisa 13 ny fitambaran’ny medaly volamena azon’i Madagasikara, 11 tamin’ny fifaninanana “kirugi” na ny adin’ny tsirairay, roa kosa tamin’ny fihetsika mirindra “poomse”. Tsara ny mampahafantatra fa i Madagasikara no nahazo medaly betsaka indrindra tamin’ity taranja ity.
Nandresy avokoa ny ekipam-pirenena malagasy Akio lahy sy vavy omaly, teny Vontovorona. Ny lehilahy nandresy an’i Comores tamin’ny isa 34 no ho 30. Lavon’i Madagasikara, 36 no ho 12 i Maurice teo amin’ny sokajy Vehivavy. Marihina fa tamin’ireo lalao roa nataon’ny ekipa Malagasy, nahazo fandresena hatrany izy ireo.