Nidina ifotony tany Sambava ny tale jeneralin’ny Bianco nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Fampahatsiahivana ireo andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly, fijerena ifotony ny fizotran’ny ady amin’ny kolikoly any anivon’ny faritra, fanentanana ny rehetra hiatrika ny ady amin’ny kolikoly… Ireo no vontoatin’ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky tany Sambava, faritra Sava, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hisitrahan’ny tsirairay anjara masoandro fampondrosoana amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny amin’ny fampihenana sy tsy hisian’ny kolikoly.
“Amin’izao fotoana izao, mila mandà kolikoly ny rehetra. Fandraisana anjara lehibe amin’izany: tokony hoterem-panahy ny tsirairay avy amin’izay fandavana kolikoly izay. Tena zava-doza raha ny fisian’ny kolikoly amin’izao no mitohy”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco tamin’izany. Tsapa fa miroso amin’ny ady amin’ny kolikoly raha ny any amin’ny faritra Sava. Na izany aza, atao hatrany ny fanentanana ireo tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan-tsokajiny amin’izay ady izay. Tonga nanatrika ny fifampizarana ireo talem-paritra sy lehiben’ny sampandraharaham-panjakana any an-toerana, ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny avy amin’ny fitandroana filaminana, ny mpandraharaha…
R. Nd.