Taranaky ny Amiraly Ratsiraka: samy mandeha, samy mitady!

Nihaona tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny “Rassemblement des partisans Ratsirakisme (RPR)”, tany Antsirabe, Ratsiraka Sophie, ny faran’ny herinandro teo. Hizotra amin’ny lalana hafa izy ireo amin’ny fifidianana.

Samy mandeha,samy mi­tady. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ha­nose­ha­ny sy ny fangatahany ny filatsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, ho kandidà filoham-pirenena. Ma­zava ny nambaran’ny filoham-boninahitra, Ratsiraka Sophie, sady minisitry ny Asa tanana tamin’izany. “Aleo ma­nohana ny filohan’ny Repobli­ka. Tsy mbola fotoana izao handrotsahan’ny RPR kandidà ho filoham-pirenena”, hoy izy. Nohitsiny tamin’ny lahateny fa diso kajy ny Arema nandrotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena ny zandriny vavy, Ratsiraka Annick.
Mbola marefo ary vao miarindoha ka tsy mbola afaka ny hanana herijika hifaninana amin’izany ny Arema. “Niaina tao anatin’ny aretina isika taorian’ny nahaverezan’ny fitondrana ny taona 2002 ka hihazakazaka sahady hanao halaviran-dalana 1000 metatra ? Tsy ho vitantsika izany na efa nisy aza ny diniky ny mpianakavy saingy nangina aho”, hoy izy. Tsy vitan’izany fa niaiky ny tenany amin’ny maha eo an-tanan’ny filoham-pirenena ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra sy ny hoenti-manana, indrindra amin’ny hiatrehana sy hikarakarana ny fifidianana. Tsy za­kantsika ny 200 tapitrisa Ar na efa niady aza ny tenany mba hatao 100 tapitrisa Ar izany. Mbola miavo-tena sy mitraka isika izao ka tsy ho vita izany, araka ny nambarany hatrany. “Aoka tsy hoentina an-katerena ny anarana sy ny antoko. Tsy miditra amin’izany isika. Aloha loatra ny fanolorana kandidà ho filoham-pirenena”, hoy ihany ity vaviaivon’ny amiraly Ratsiraka ity.

Synèse R.

Partager sur: