TARATRY ny KANTO

Rakibolana. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny « Rakibolana I », mampivondrona ireo teny sy voambolana teknika ara-ekonomika. Fiaraha-miasan’ny departemantan’ny minisitera rehetra sy ny holafitry ny mpanao gazety ary ny Foibem-pitondran’ny Seraseran’ny MEF no nahatanteraka ny tetikasa.

Village Culturel des jeux des iles. Mitohy hatrany ny fampialana voly sy fampisehoana ho an’ny mpitsidika, indrindra ny mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy. Haikanto maro ho an’ny rehetra sy maimaimpoana no hita eny an-toerana. Misy ny fampisehoana iarahana amin’ny Malagasy sy ny vahiny mpihira. Eo koa ny kilalao sy ny fanentanana isan-karazany.

Fianarana Fanorona. Hiverina hisokatra indray ny sekoly fianarana fanorona, eny amin’ny IKM Antsahavola, isaky ny sabotsy. Efa ao anatin’ny fandaminana ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Jean Marie Lalao no hitondra ny fampianarana. Tsy fampianarana amin’ny maha lalao azy fotsiny no atao fa ny lanjany sy ny tantarany koa.

Jazz. Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny CGM Analakely ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny “Standart Jazz”, niarahana tamin-dRandriantseva Andry Michael. Tsy nifidy taona sy sokajin’olona fa natambatry ny fankafizana ity karazana mozika ity ny mpankafy ka tonga maro. Ny hetsika sahala amin’izao no hampiroborobo ny haikanto sy ny zavamaneno.

Partager sur: