Nahazo fahombiazana avokoa ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, na teo amin’ny “simple”, lehilahy sy vehivavy. 100% Malagasy ny hihaona amin’ny famaranan’ny “doubles”, vehivavy.
Horakoraka sy hafalina no nandraisan’ireo Malagasy mpijery ny Akomban’i Madagasikara, teny Ambohidahy, omaly. Tonga amin’ny lalao famaranan’ny taranja tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity, ny Malagasy mpilalao. Ho an’ny lalaon’olon-droa “doubles”, lehilahy, hifandona amin’ny renioney, i Giovanni Romeo sy i Florent Bax, ry Andriamasilalao Lucas sy Ranaivo Toky. Adin’ny samy Malagasy ny eo amin’ny “doubles”, vehivavy. Ranaivo Mialy sy Voavy Mitia hifanandrina amin-dry Voaviandraina Harena sy Ranaivo Narindra.
Anisan’ireo lalao tena niady teny an-toerana ny fihaonan’i La Réunion sy i Madagasikara, teo amin’ny manasa-dalana ho an’ny “doubles”, vehivavy. Resin-dry Ranaivo Mialy sy Voavy Mitia tamin’ny seta 2 no ho 1 (7,5/3,6/10,7) ry Pauline Payet sy i Girarde Emmanuelle. Tsara ny mampahafantatra fa i Pauline Payet, anisan’ireo mpilalao manana ny lazany amin’ity taranja ity saingy tsy tafavoaka tamin’ireto Malagasy mpanao tenisy ireto. Tsara marihina fa maratra i Mitia sy Mialy, nandritra ny fihaonana.
“Sarotra ny lalao natrehanay androany, maratra ny tenako sy ny namako amin’izao fotoana izao. Vitanay ihany nefa ny nandresy ny mpifanandrina taminay ary hiezaka ny haka ny medaly volamena ho an’i Madagasikara izahay”, hoy Ranaivo Mialy, Malagasy mpilalao tenisy vehivavy.
Ankoatra izay, hotanterahina anio eny Ambohidahy, ny manasa-dalana ho an’ny lalaon’ny tsirairay “simple” lahy sy vavy. Fihaonan’ny samy Malagasy ny eo amin’ny manasa-dalana ho an’ny lehilahy, Ranaivo Toky hifandona amin’Andriamasilalao Lucas. Ilay renioney, Pauline Payet indray no hihaona amin’i Voavy Mitia raha toa ka i Lennon Zara avy any Maurice no hiady amin-dRanaivo Mialy.