Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra.
Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola azy ny
Banky Iraisam-pirenena, mitentina 275 miliara Ar. Tanjona ny hisitrahan’ny mponina miisa 2 tapitrisa herinaratra, manerana ny Nosy, indrindra ny toerana tsy mbola ahitana famatsian-jiron’ny Jirama. Nampahafantarin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, omaly, teny Ambohitrabiby ny tetikasa «Lead asa 400», niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Voakasik’ity tetikasa ity daholo ny faritra miisa 24 eto Madagasikara. Hitombo 10% ny mponina hisitraka herinaratra avy amin’ny Jirama, noho izany, vinavinaina hatrany amin’ny 2 tapitrisa fanampiny, voakasik’ity tetikasa ity.
Taribin-jiro 1 600 km
Nilaza ny minisitra Andriamanampisoa Solo, fa hatsaraina ny tolotra omen’ny Jirama. Miompana amin’ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ny sehatrasa tsirairay. Toy ny andrin-jiro «béton», ny taribin-jiro, ny vata mpanova herinaratra (transformateur), ny vata fanapahana herinaratra (disjoncteur), ny fitaovana fitsinjarana herinaratra sy ny maro hafa. Mitotaly 1 600 km ny halavan’ny taribian-jiro mitondra herinaratra maivana (BT) sy mahery vaika (HT) hoforonin’ny tetikasa «Lead» sy ny Tetikasam-pirenena ho fanarenana (PNR) ao anatin’ny PDDR-CERC.
Ankoatra ny fanatsarana ny tambajotra mpitsinjara herinaratra, miisa 34 000 ny andrin-jiro mitondra herinaratra maivana (BT) sy salantsalany (MT) hapetraka na havaozina. Mahatratra 650 ihany koa ny vata mpanova herinaratra hapetraka. Kendrena ho vita amin’ny marsa 2024 ity tetikasa ity.
Njaka Andriantefiarinesy