Toko tapaka…

 

Dimy andro aty aorian’ny loza mahatsiravina nitranga teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ka nahafatesan’olona am-polony sy naharatrana olona an-jatony, misokatra ny fanadihadiana. Efa nisinda tsikelikely izay ny alahelo sy nisava ny hatezerana. Niara-nahita ny fifanomezan-tsiny. Mipoitra tsikelikely ny fifanilihana andraikitra. Tonga hatrany amin’ny fanononana anarana minisitra manokana aza ny an’ny sasany.
Manoloana ny tranga tahaka ireny anefa, tsy maintsy misy ny tomponandraikitra. Ireo eo anivon’ny fikarakarana no voatondro-molotra voalohany indrindra. Tsy nifanaraka tamin’ny zava-nisy ny lamina izay napetraka. Ny tena loza, tsy nisy ny drafitra fiandry azo noraisina manoloana ny zava-nisy. Tsy mahagaga anefa izany, satria misy amin’ny tandapa sasany no tsy refesi-mandidy. Misy ny tsy azo atoro. Maro koa anefa ny angady tsy mahatapak’ahitra.
Tsy ny mpikarakara ihany no mila mandini-tena fa ireto mpandrindra ny filaminana amin’ny ankapobeny. Marina, nisy ny fizarana asa, kanefa amin’ny maha ekipa iray, zava-dehibe ny fifanomezan-tanana. Tsy misy mahavita tena irery izany na be baoty sy be basy aza. Ny firaisankina no hery. Raha ny feo miely sy ny resaka mandeha manko, toa vondrona mpitandro filaminana iray ihany no niandraikitra ny vavahady novakin’ny vahoaka marobe.
Tsy afa-miala ihany ny vahoaka nanao amboletra. Hita taratra tamin’ny horonantsary niparitaka fa avy any anatin’ireo olona marobe no rangory fototry ny afo. Mipetraka foana ilay toe-tsaina tia tena sy mifaninana tsy amin’antony. Mazava ny toromarika fa tsy afaka miditra intsony satria feno ny kianja. Mbola misy ny mikiribiby, tsy manaiky toromarika.
Raha fehezina, andraikitra ifampizarana iny fahadisoana mihoa-pampana nahafatesan’olona iny. Mila samy mandini-tena Ramalagasy, miaiky heloka ihany koa. Tsy fotoan’ny fifanomezan-tsiny izao, fa fotoan’ny fanarenana. Toko tapaka, vilany mitongilana ireny…

r.r

Partager sur: