TSELATRA

Tovolahy iray maty voahosin’ny kamiao teny amin’ny RN7, PK 152 + 200, tao Bemasoandro, fokontany Bemololo, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, ny sabotsy 26 aogositra teo. Saika hisongona sarety ilay kamiao kinanjo nifaoka tampoka ilay zaza. Olona iray tapaka tanteraka ny tongony.

Natoron’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny mpitandro filaminana ny toerana nandevenan’izy ireo ny fatin’ny renim-pianakaviana iray tao Vohilomotra, 4km miala an’Ambolosy, kaominin’Amboavory, distrikan’ Amparafaravola, ny faran’ny herinandro teo. Avotra soa aman-tsara teny amin’ireo olon-dratsy kosa ny namany roa volana taty aoriana.

Fiara iray nitsoaka rehefa avy nandona mpitondra bisikileta no tratran’ny zandary tao Andranomanelatra, Antsirabe II, ny sabotsy alina teo. Nipitika nivoaka ny arabe ny mpitondra bisikileta lasibatra ka naratra mafy. Nirifatra nandositra anefa ny mpamily ny fiara. Nisy ny sakana natao ka saron’ny zandary izy.

Maty nitifi-tena ny mpitandro filaminana iray mpiambina tomponandraiki-panjakana iray ao amina minisitera, omaly. Voalaza fa olana teo aminy sy ny mpiasa tao an-tranony no nahatonga izao famonoan-tena tampoka izao. Marihina fa namita iraka tany amin’ny faritra ny olona ambenany, nandritra ny voina. Mandeha ny fanadihadiana.

Partager sur: