Sahiran-tsaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Antsapanana, disitrikan’ i Brickaville, amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra, taom-pianarana 2023-2024 izao. Betsaka amin’ireo mpianatra eny anivon’ ny CEG anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsapanana no milaza amin’ny ray aman-dreniny fa tsy hiverina an-tsekoly
intsony. Voalazan’ny ray aman-dreny maromaro fa nitovy avokoa ny zavatra notantarain’ny zanak’izy ireo.
Voalohany, ny volana marsa lasa teo, mpianatra maromaro no nampandohalihina sy nampitsongolohana, narahina ka-poka. Mpianatra roa amin’ny kilasy faha-7 (5ème) no niharan’ izany. Faharoa, ny volana mey teo ihany, natao izany ihany koa ny mpianatra tao amin’ny kilasy faha-8 (4ème) sy faha-9 (3ème). Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny ray aman-drenin’ ireo mpianatra niharan’ny herisetra no nivoahan’ny sary iray nalain’ny mpianatra an-tsokosoko, mampiseho ny herisetra sy ny fampijaliana nahazo azy ireo. Manao antso amin’ny fitondram-panjakana, noho izany, ireo ray aman-dreny hijery akaiky ny raharaha.
Sajo