Norombahin’i Nomenjanahary Claudine ny volamena, teo amin’ny halavirana 100 m tsotra, vehivavy. Azony nandritry ny famaranana natao omaly talata, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tsy nisy naharaka azy ireo mpifanandrina taminy. Vao teo am-piaingana dia efa hita nisongadina i Claudine. Tontosany tao anatin’ny 11 s 42 ampahazatony ny hazakazany. “Faly satria tratrako ny tanjona dia ny hahazoana medaly volamena. Efa nampoiziko ity vokatra ity satria efa niomanako ela. Tombony ho ahy ilay fanomanana tsara”, hoy izy. Faharoa, ilay mahorey, i Nasrane Bacar, 11 s 83 ary fahatelo i Oceanne Marie Moirt, avy atsy Maurice, 11 s 85.
Tsy nisy Malagasy ny teo amin’ny 100 m, lehilahy. Nanjakan’ny maorisianina satria izy ireo avokoa ny telo voalohany. Nahazo ny volamena, i Bibi Gary Noa Jerret, 10 s 32%. Ankoatra izay lasan’ny Malagasy ny volamena teo amin’ny 400 m misy fefy, vehivavy, tamin’ny alalan’i Namahako Cynthia, manana ny fe-potoana 60 s 24%. Toy izany koa ny teo amin’ny 400 m inefatra mifampitohy, lahy sy vavy.
Ankoatra izay, nahazo volamena 3 ihany koa ny Malagasy teo amin’ny “para athlétisme” na ny fifaninanana ho an’ireo atleta manana fahasembanana. Anisan’izany i Njakatiana Miarimbolatiana, teo amin’ny vikin-dava ho an’ny vehivavy marenina. Teo amin’ny 100 m, lehilahy jamba, lasan’i Felix Tovondrainy.