Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny sy ny Hip-hop anio, ao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely (IFM), hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiaka-tsehatra ny Compagnie Lovatiana x Naty Kaly. Haneho ny ezaka sy voka-pikarohana notontosaina izy ireo. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva, kosa ny « Madagascar danse debout ».
Hanao tohivakana ny fampisehoana, manomboka ny 6 septambra. Mialohan’io, ny 2 septambra, hiatrika ny « Carte blanche » ny Compagnie Anjorombala. Ny 6 septambra ny Compaginie Lovatiana. Ny 13 septambra ry zareo ao amin’ny Madagascar danse debout ary ny 16 septambra i Falihery Ratovonirina. Samy amin’ny 3 ora tolakandro avokoa izy ireo.
Raha tsiahivina, tarika mpandihy manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny famoronana, mpandihy samy efa manana traikefa matanjaka, no mandray anjara amin’ny Festival « Temps fort danse ». Na izany aza, nokendren’ny mpikarakara hatrany ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo samy mpiangaly ny dihy ankehitriny sy ny Hip-hop. Kajina fatratra ihany koa ny hahazoana mampivelatra azy ireny.
HaRy Razafindrakoto