Fahafatesan’i Olivier: tsy nety handray ny razana ny fianakaviany

Maty nisy namono tao Antetezambaro, ny alahady maraina teo, i Olivier Sonina. Namonjy alim-pandihizana tao amin’ ny fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitr’Ante­tezambaro, Toamasina II, izy. Somary nisy fifamaliana taman’olona izy tao amin’ity trano fandihizana ity. Nisy nahatsikaritra izy naratra mafy hita tao ambany tetezan’Ivoloina. Mbola nisy aina izy ka niezaka niantso zandary sy ny fianakaviany ireo olona nahita azy. Nentina tao amin’ny hopitalin’An­tetezam­baro izy. Tsy vita tao amin’ny hopitaly anefa ny fikarakarana ka tapa-kevitra ny handefa azy ao amin’ny hopitaly manara-penitra ny dokotera tao an-toerana. Tsy nisy nipoitra mihitsy anefa ny fianakaviany na efa nanaovana antso avo aza momba ny ratra mafy nahazo azy. Tonga tao amin’ny parisela 11/58 Ankirihiry nitondra ny razana ny namany sy ireo fokonolona ao an-toerana. Tsy nanaiky handray ny razana anefa ireo fianakaviany ka niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny filoham-pokontany. Nilamina ihany ny raharaha taorian’izay.

Sajo

Partager sur: