Fanafihana eny Itaosy : folo lahy, mampihorohoro !

Nasesin’ny jiolahy miisa folo ny tokantrano telo teny Itaosy, ny alahady alina. Voaroba ny vola an-tapitrisany. Nitondra basy ny olon-dratsy. Mandry andriran’antsy ireo manana tsena.

Nampihorohoro ny tompon-tsena notafihany, norobain’ny jiolahy folo lahy ny vola 2 tapitrisa ma­hery tao amin’ny fokontany Maro­biby, kaominina Fiombonana – Itaosy, ny alin’ny alahady teo. Nihaodihaody teny amin’ io toerana io ireo olon-dratsy nitam-piadina, araky ny fanazavan’ny manodidina. “No­dakadakan’ireo jiolahy ireo ny varavaran’ny tsena”, hoy ny zandarimaria ao amin’ny borigady Itaosy. Nampitahorin’ ireo tsy mataho-tody ireo voatafika. “Nilaza ho manana fitaovam-piadiana ireo jiolahy ireo ka nanome ny vola teny amin’ny varavarakely ireto farany”, hoy hatrany izy. Ni­findra tamin’ny tokantrano hafa indray ireo mpandroba rehefa nahazo tamin’ny trano iray. Trano fisotroan-toaka, mpivarotra enta-madinika sy mpanao “cash-point” ireo lasibatra ireo. Voalaza fa nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy ary nampitahotra tamin’ ny famaky sy ny antsy lavalela ny mpandroba. Namoaka vava ireto farany fa mbola hiverina. Etsy an-kilany, efa nanokatra ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsy nisy naratra nandritra ity vaky trano ity. Raha tsiahivina, vao ny 12 jolay lasa teo no nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny mpamongady teo Itaosy Cité. Jiolahy roa lahy nitam-basy nandroba ny vola mitetina 10 tapitrisa Ar. Ni­tsoaka nanao taingin-telo tamin’ny moto niaraka tamin’ny namany izy roa lahy ireo rehefa azony ny vola

.
Tsiferana R.

Partager sur: