FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny fikambanana Zanaka Antanala (Zanta), afakomaly, fa tsy manao politika, tsy manolotra sy tsy manohana olona hirotsa-kofidina amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Izay no maha fikambanana tsotra sy amin’ny maha fikambanan-drazana azy, izay ikambanan’ny distrika roa, Ikongo sy Ifanadiana. Koa lavin’ny fikambanana ny fampiasana ny anarany amin’ny fanolorana kandidà.

Anisan’ireo vehivavy ho kandidà Ratsiraka Annick. Nambarany teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo, ary tapaky ny antoko fa ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena Ratsiraka Annick. « Latsaka an-katerana isika ka vonona izahay hanao ny farahery hampandroso ny firenena. Miantso ireo ray aman-dreny hiara-kisalahy amin’ izany sy hamerina ny hasin’ny firenena », hoy izy.

Sekretera nasionalin’ny PSD, Randrianaso­lo­niaiko Siteny. Notanterahina ny sabotsy teo tao­rian’ny kongresy natao fa sekretera nasionalin’ny PSD ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Nisolo ny toeran’ny teo aloha, Bezaza Eliana, lasa sekre­tera lefitra. Nampanantena izy ireo fa hanohy ny ezaka nataon’ny mpanorina ity antoko ity, Tsiranana Phillibert. Anisan’izany ny asa fa tsy kabary.

Partager sur: