Fifidianana filohan’ny Repoblika : mangataka fitia tsy mba hetra haha kandidà azy Razafiarison Laza

Atolotry ny Rassemblement des citoyens responsables (RCR) ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena Razafiarison Laza. Miankina amin’ny tolo-tanana avy amin’ny olom-pirenena anefa izany.

Ho kandidà ho filohan’ny Repoblika indray ny kan­didà tamin’ny fifidianana 2018, Razafiarison Laza? Ma­nolotra azy ny Rassemble­ment des citoyens responsables (RCR) na Tambaben’ny olompirenena nampiraisin’ny Andraikitra (Tolona), raha misy ny enti-manana ho amin’ izany. Miantso vonjy ny vahoaka malagasy tsy ankavanaka izy ny amin’ny tokony handraisana an-tanana ny fahefana sy ny hoaviny, araka ny fa­nambarany teny Anta­ninare­nina, afakomaly.
Mpitondra tsy napetraky ny vahoaka malagasy no na­hazo fahefana, fa nividy azy tamin’ny fanomezana. Koa mangataka fitia tsy mba hetra amin’ny rehetra entiny mia­trika fifidianana izy. Miankina amin’izay ny firotsahan-kofidiny na tsia. Mitaky fanovan-drafitra ny RCR: fametrahana rafi-piarahamonina afa-ma­me­traka rafitra politika hitsinjo ny rafitra toekarena ho amin’ny tombontsoan’ny fiarahamo­nina. Vonona hitarika amin’ny fandraisana andraikitra ho amin’izany ny antoko.
Tonga ny fotoana hahazoana mametraka mpitondra, araka ny foto-kevitra hoe: izay mametraka no mibaiko. “Vo­nona hibaiko mpitondra ve ny vahoaka malagasy sa ny mpitondra no mbola avela hibaiko ny firenena? Raha manaiky hibaiko mpitondra ny vahoaka, maka ny toeran’ny mpaniraka”, hoy izy. Izay no rafitra mety amin’ny fiarahamonina mala­gasy. Izany rafitra maty nandritra ny taona maro izany no ma­hatonga izao fahoriana mianjady amin’ny firenena izao.

R. Nd.

Partager sur: