Nanomboka omaly, ny andro voalohany amin’ny fihaonambem-pirenena karakarain’ny FFKM. Nohazavain’izy ireo ny anton’izany sy ny fandaharam-potoana.
Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako fa natao ny fihaonambem-pirenena mba hahafahana mametraka amin’ny toerany ny Andrimaso FFKM. « Handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana anaty fahamarinana isika ka omena aina vao sy natsangana ny Andrimaso », hoy izy. Nambarany ny paikady entin’ny fiangonana amin’izany. Misy ny iraka lavitr’ezaka hanabe ny olompirenena vanona, araka ny fampianaran’ny fiangonana. Misy ny atao anaty fotoana fohy izay hiatrehana ny fifidianana. Ho tanterahana amin’ny toerana rehetra ka hananan’ny FFKM solontena hiasa.
Notsiahiviny fa anton’ny fihaonambem-pirenena koa ny hanomezana aina vao ny fiainana ny fampiraisam-pinoana. Tahaka ny nanorenana azy tany am-piandohana. « Hibanjinana ny fanamafisana orina ny fampiraisana ny fiangonana sy hijoroana vavolombelona izany », hoy izy. « Niantsoan’ ny Tompo ny FFKM ny hiverenana an-doharano mba ho tena iray ihany izy rehetra », araka ny nambarany hatrany.
Nisy ny fitsofan-drano ny mpizaika izay tsy anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny FFKM handeha fa handinika ny raharaha anatiny ny fiangonana. Hitohy anio ny fikaonan-doha. Hisy ny fihainoan’ireo filoham-piangonana ny mpisehatra politika rehetra sy ny fiarahamonim-pirenena. Hiompana amin’ny raharaham-pirenena ny dinika.
Synèse R.
Fandraisana anjara voalohany ho an’ny arsevekan’Antananarivo vaovao, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu eo anivon’ny FFKM, omaly. Nisolo tena ny fanjakana kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Tazana teny avokoa ireo mpanao politika avy amin’ny mpanohitra sy ireo kandidà ho filoham-pirenena, ary ny avy amin’ny finoana hafa.