Tontosa ny fampiharana ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary iombonan’izao tontolo izao. Hatramin’izao anefa, tsy mbola manana ny lanjany aty Afrika izy ireny.
Tokana aman-tany ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-javaboahary Afrikanina satria ivon’ny maha olombelona. Manamarika ny asa nosahanin’ny olona sy ny riba niainana tao anatin’ny vanim-potoana niainany. Ahafahana miatrika ny ankehitriny sy ny ho avy izy ireny. Hoenti-manatsara ny toekarena, ny fiarahamonina, ny kolontsaina sy ny sehatra maro .
Misy ny lisitry ny harem-bakoka iombonan’izao tontolo izao toy ny kolontsaina sy voajanahary ary ny zava-naorina mifangaro. Tsy misongadina loatra anefa ny fisian’izy ireo aty Afrika satria ny 9% amin’ny harena maneran-tany ihany no aty Afrika. Vitsy raha oharina amin’ny 48% tazana any Eoropa sy ny 24% hita any amin’ny faritra Azia sy Pasifika.
Araka ny fanadihadian’ny Unesco, aty Afrika Atsinanana fotsiny, firenena maro no nanao sonia ary mampihatra ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary tamin’ny taona 1972.
Zava-dehibe ny fiaraha-mientana
Manana harena ara-kolontsaina sy ara-boajanahary miisa 34 ao anatin’ny lisitry ny harem-bakoka iombonan’izao tontolo izao ny faritr’i Afrika Atsinanana, ny 3 amin’ireo eto Madagasikara. Raha ny fifanarahana tamin’ny 1972, efa voafaritra ao ny andraikitry ny firenena tsirairay hoenti-miaro sy mikajy ny harena ao aminy. Mampirisika ny firenena nanao sonia ny fifanarahana ny Unesco mba hampiditra anaty fandaharanasa ny fiarovana ny harena ara-kolotsaina sy ara-boajanahary.
Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ireo mpiara miombon’antoka. Ny fametrahana sampandraharaha misahana ny fikarohana ara-tsiansa sy teknika momba ny fikajiana sy fandraisana fepetra ary ny anjara asan’izany eo amin’ny fiarahamonina. Iray amin’ireny ny « Comité Nationale du Patrimoine » izay efa misy eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto