INDRAY MIJERY

Namoaka filazana ny oniversiten’i Fianarantsoa fa hitsahatra ao anatin’ny 15 andro ny fampianarana, mba hahafahan’ireo tanora mihanoka ny lalaon’ny Nosy sy mandray anjara amin’izany am-pilaminana eto Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra teo io fiatoan’ny fampianarana vonjimaika io.

Maimaimpoana ny fanaovana « échographie obstétricale » ho an’ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ao amin’ny INSPC Mahamasina. Nanom­boka ny alatsinainy teo hatramin’ny rahampitso izany. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fahasalamana manakaiky vahoaka ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana toa izao.

« Na inona na inona sokajy sy sehatra misy anao dia afaka mandray anjara feno amin’ilay fandaharanasa Yali », hoy i Holiniana Rakotoarisoa, filoha mpanorina sady mpitantana ny ONG Merci. Tsy nataony sakana ny fananany fahasembanana eo amin’ny fahitana. Voafantina nisitraka ny vatsim-pianarana tamin’ny taona 2016 ny tenany.

Manomboka ny volana aogositra hatramin’ny avrily ny fotoana mampirongatra ny valanaretina pesta. Anisan’ny distrika mbola ahitana pesta ny ao Anka­zobe. Nilaza ny dokotera ao an-toerana fa mihamafy ny ezaka atao hisorohana ny aretina. Anisan’izany ny famonoana voalavo sy parasy ary ny fanadiovana ny tanàna.

Partager sur: