Nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny kaomisionina misahana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja baolina kitra. Tsy afaka manohy ny fifaninanana i Fabien Boyer.
Taorian’ny antsapaka ho an’ny manasa-dalan’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny taranja baolina kitra, nisy ny fivoriana nataon’ireo kaomisionina miandraikitra ny baolina kitra, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Tapaka nandritra io fivoriana io fa tsy afaka manohy ny fifaninanana intsony i Fabien Boyer, vodilaharana Barea de Madagascar.
Ny fisian’ny “accréditation” roa, La Réunion sy Madagasikara no antony tsy hahafahany miaro ny voninahi-pirenena malagasy. Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao izay nanatrika ny fivoriana teo anivon’ity kaomisionina ity, navoakan’ireo Renioney avokoa ny lisitr’ireo mpilalao ao aminy ka hita tao ny anaran’i Fabien Boyer.
Tsiahivina fa i Boyer, efa nilaza fa hanao Barea foana fa tsy hilalao amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion. Tsara ny mampahafantatra fa efa niatrika ny lalao izay nihaonan’i Maurice sy i Madagasikara, ny sabotsy 26 aogositra lasa teo, tetsy Mahamasina i Fabien Boyer.
Hihaona amin’i Comores
Ankoatra izay, hifanandrina amin’i Comores eo amin’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar, araka ny vokatra azo tamin’ny antsapaka. Lalao hotontosaina rahampitso eny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Amin’ny 4 ora hariva no hanombohan’ity fihaonana ity raha ny fandaharam-potoana azo tamin’izy ireo. Aorian’ity lalao ity, hihaona amin’i Maurice i La Réunion.