Lohalaharana hatrany i Madagasikara amin’ny filaharana ankapobeny. Medaly volamena 66, volafotsy 33 ary alimo 37 no azon’ireo Malagasy mandray anjara.
Teo amin’ny taranja fibatana fonjamby, nifarana omaly ny fifaninanana ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Lohalarana i Madagasikara izay nahazo medaly 56 be izao. Medaly volamena 34, volafotsy 12 ary alimo 10 no niambozonan’ny atleta malagasy, teo amin’ny taranja fibatana fonjamby, tao anatin’ny 4 andron’ny fifaninanana, tetsy amin’ny Petit Palais Mahamasina. Tsy nisy atleta malagasy tsy nahazo medaly ary maro tamin’izy ireo no nandraoka medaly volamena. Mpibata fonjamby malagasy 8 mianadahy no nanome zato isan-jato , ka nahazo medaly 3 avy, hahitana an-dRandafiarison Rosina -45 kg (75 ARR, 90 kg EJ, 165 kg TO), Lalaina Sabrina -49 kg (73 ARR, 89 kg EJ, 162 kg TO), Elariont Ricardo -55 kg (102kg ARR, 135 kg EJ, 237 kg TO), Andriatsitohaina Eric -61 kg (107kg ARR, 145 kg EJ, 252 kg TO), Bakoliarisoa Sarikaniaina -55 kg (75kg ARR, 105kg EJ, 180 kg TO), Rakotoharisoa Angeline Nera Sarah -59 kg (75 kg ARR, 100 kg EJ, 175 kg TO), Andriamahefa Jules Anthonio -67 kg (120 kg ARR, 150 EJ, 270 kg TO) ary Andriatsitohaina Tojonirina -73 kg (150 kg ARR, 183 kg EJ, 333 kg TO). Nahazo « record de l’Océan Indien » i Rosina, Sariaka, i Sarah ary i Tojo nandritra ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity.
Nahazo medaly volamena roa kosa, Fanomezantsoa Ravo Cadeau -81 kg, Fanantenana Claudio -96 kg ary Mamintsoa Hery Ny Aina 102 kg. Medaly volamena iray avy kosa ho an-dRavololoniaina Vania -64 kg sy Randrianjatovo Tiana Michel -89 kg ary Ranaivoson Maminiaina Ezra -81 kg. Nanampy ireo medaly ireo ny medaly volafotsy sy alimo azon-ry Axelle, Harisoa Benjamine, Tiavina Fabia, Claudio, Mamintsoa, Fitiavantsoa, Vania ary Sitraka.
Maro ireo medaly azo
Samy nahazoan’ny Malagasy medaly avokoa ny taranja rehetra nifaninana omaly talata 29 aogositra. Anisan’izany ny atletisma izay nisalotra medaly volamena 4, volafotsy 1 ary alimo 3. Ho an’ny taranja badminton, medaly alimo iray teo amin’ny isan-tarika vehivavy sy lehilahy no azon’ny Malagasy. Nahazo medaly volamena 4 ihany koa ny taranja tolona omaly, teo amin’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny taranja tenisy kosa, medaly volamena 1, volafotsy 2 ary alimo 1 no norombahan’ny Malagasy.
Anisan’ny nahazo medaly ihany koa ny taranja ady totohondry, izay nahazo volamena 1 sy volafotsy 1.