Tsy nampoizina ny vokatra azon’ny atleta malagasy, eo amin’ny taranja lomano, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Raha toa ka medaly tsy mihoatra ny 5 no noeritreretina ho azon’i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity, efa tafakatra 10 amin’izao fotoana izao ny medaly eo am-pelan-tanana, hahitana medaly volamena 3, volafotsy 1 ary alimo 6. Raharvel Jonathan avokoa no nandrombaka ireo medaly volamena 3 ireo. Azony tamin’ny andro niatombohan’ny fifaninanana ho an’ny taranja lomano, ny medaly volamena voalohany teo amin’ny 50 m Brasse. Ny alahady teo kosa no azony ny medaly volamena faharoa, teo amin’ny 100m pap ary omaly no nahazoan’i Jonathan ny medaly volamena fahatelo, teo amin’ny 200 m Brasse. Sambany teo amin’ny lalaon’ny Nosy no nisy Malagasy nahazo medaly volamena 3 toy izao. Fandresena tena tsy nampoizina ihany koa ny vitan’i Ando Francky teo amin’ny 50m dos, izay nahazoany medaly volafotsy. Teo amin’ny sokajy vehivavy, medaly alimo 2 no norombahan-dRabejaona Holy Antsa , teo amin’ny 50m pap sy 50m dos. Nahazo medaly alimo ihany koa Randrianarisoa Daniel teo amin’ny 50m brasse sy Tendry Tiavina teo amin’ny 200m dos. Ankoatra ireo, azon’ny malagasy avokoa ny medaly alimo, teo amin’ny 4×100 m Relais, lahy sy vavy, tamin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11.