Tsy mbola tena tony ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miantso fifanatonana eo amin’ireo tomponandraikitra mahefa ny Mesupres hisian’ny filaminana sy hampandroso ny fampianarana.
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) ny alatsinainy teo, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera, manoloana ny zava-nitranga teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny herinandro teo.
Miantso ny rehetra hiaro ny rafi-pampianarana ambony izay miaina anaty fahasarotana noho ireo olana aman-taonany maro mivangongo ny fanambarana. Mitaky fifampidinihana sy firaisan-kina ary fifanomezan-tanana hisian’ny fanarenana ny lesoka rehetra ny Mesupres.
Mikatsaka vahaolana hatrany ny minisitera mikasika ireo tetibola mampikatso ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana. Miangavy ny mpampianatra ihany koa ny minisitera mba hijery ny tombontsoan’ny mpianatra ka hamita ny taom-pianarana amin’ny tokony ho izy.
Natao ny fanentanana mba hibanjina sy hifantoka amin’ny fianarana ny mpianatra satria izany no antony hijanonan’izy ireo eny amin’ny anjerimanontolo.
Manameloka ny fampiasana herisetra izay natao tamin’ny mpianatra ny Mesupres izay tsy tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny asa fitandroana filaminana velively ny fampiharana izany.
Miantso ny fitoniana hikaroham-bahaolana. Aoka izay ny fampidirana politika eny amin’ny anjerimanontolo izay mamotika ny rafi-pampianarana sy ny fikarohana, hoy hatrany ny fanambarana. Mikasika ny fitakiana ataon’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha dia voalaza fa efa misy ny dingana toy ny fankatoavana ny fahafahana mandoa ny tapany farany amin’ny tambin-karaman’ireo mpampianatra an-tselika. Eo koa ny fandinihina ireo teboka nahazoana fitarainana ary efa natolotra ny filankevitra.
Tatiana A