“Mila jerena ny an-tsipirian-javatra mety handrehitra afo eto amin’ny firenena, ka hisorohana an’izany amin’ny lafiny rehetra: fotoana, endriny rehetra.” , hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Raha mandeha ny fifidianana, enimpolo taona izay: toy izao hatrany… Atao ny fifidianana filohan’ny Repoblika, midina amin’ny fifidianana depiote, ny eny anivon’ny kaominina… Miteraka vahaolana ve izay?
Tsy mijanona amin’izay ny fifidianana fa antoky ny fiainam-pirenena. Tsy hoe amin’ ny fifidianana ihany no misy fitoniana. Tena miteraka fitoniana ve ny fifidianana, ka hahazoana miara-miasa sy miara-mientana ary miara-miaina ho amin’ny fampandrosoana? Miainga amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika; avy eo, manaraka fotsiny an’ izay ny fifidianana sisa. Sao tokony hijery fomba hafa hisian’ny filaminana marina sy maharitra? Miainga any ifotony izany. Mba tena misy fototra ny fifidianana, hahazoana miaina ho amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’izay.
“Dingana iray ihany ny fanaovan-tsonia ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena. Mbola misy pitsopitson-javatra be dia be mety tsy hahazoantsika fitoniana feno amin’ny fifidianana”, hoy izy. Tsara jerena avokoa izany mba hahazoana miroso amin’ny fifidianana. Fa ny tena olana tsy voavaha amin’ny fifidianana: eo ny kandidà hifehy tena sy hifehy ny olona miaraka aminy.
R. Nd.