Mitohy mifanindry an-dalana amin’ireo fifaninanana ara-panatanjahantena, ato anatin’izao lalaon’ny Nosy izao ihany koa ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora. Tsy nahasakana ireo tanora mandray anjara amin’ity taranja iray ity ny fahasamihafana eo amin’ny maha izy ny nosy tsirairay. “Tsy ampy ny fotoana hifampizarana sy hifanakalozana eo amin’ny samy tanora” hoy i Lise J. N, tomponandraikitra avy ao amin’ny nosy Maurice. Araka ny nambaran’ireo mpandray anjara ihany, mbola maro ny tokony hifampizarana sy hifanakalozana nefa fohy ny fotoana ahafahana manao izany.
Malaina hisaraka sahady ireo tanora mandray anjara amin’ny seho sehatra ho an’ny tanora, ao anatin’izao lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izao. Azo lazaina fa tratra ny tanjona ho an’ity taranja ity satria nampiray ireo tanora nanatrika ny seho tokoa ny hetsika. Araka izany, tolo-kevitra no naroson’izy ireo ny amin’ny fampiraisana ireo tanora mandray anjara amin’ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora amina trano fandraisam-bahiny iray, amin’ny andiany manaraka amin’ny lalaon’ny Nosy, mba hampitombo ny fifandraisana sy fifaneraserana eo amin’ireo tanora.
Raha tsiahivina, dihy sy hira ary teatra nampahafantarana ny maha izy ny nosy mpandray anjara no natao tao anatin’izany. Ny avy amin’ny Nosy Maurice sy Mayotte no niaka-tsehatra omaly. Anio kosa no handray anjara ny avy ao Seychelles sy La Reunion ary ny avy eto Madagasikara. Anio hariva ihany koa ny hanatanterahina ny lanonana famaranana ity taranja ity.