Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo olona 13, voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taolam-paty tao Soavinandriana. Voasambotry ny miaramila DSS 12 Tamponala, tao Trondromainty, fokontany Miaramasoandro, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly ireto jiolahy ireto. Nifanome tanana tamin’ireo miaramila mpampandry tany ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatoasana. Niainga avy amina angom-baovao sy fahaiza-manao no nahafahan’ireo Tafika nahazo ireto andian-jiolahy ireto. Tratra tao amina tranon’olona iray ny jiolahy fito voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izao halatra miaro vaky fasana izao. Hita tao koa ireo taolan-dava marobe niaraka tamin’ny basilava vita tanana. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando azy ireo no nahafantarana fa avy nangalarina tamina fasan-drazana iray tao an-tanàna ihany ireto taolan-dava marobe ireto. Niainga tamin’ny fanadihadiana ireto jiolahy fito tratra ireto no nahafahana nisambotra olona enina hafa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Nilaza ry zalahy fa avy noloarana tao am-pasana ireto taolam-paty ireto ka eo am-pikasana ny hitady mpividy no tratran’ny Tafika sy ny zandary. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’izay olona ahina ho mpandray ireo taolam-paty ireo.
J.C