Tratry ny areti-kibo i Sidonie Fiadanantsoa, omaly alatsinainy. Noho ny sakafo nohaniny no voalazan’ny loharanom-baovao fa nankarary azy. Tsy izy irery fa saika tratry izay avokoa ireo tao amin’ny taranja atletisma. Efa notsaboina izy ireo ka afaka ny hiatrika fifaninanana anio, alarobia.
Nihazakazaka ho an’ny Nosy La Réunion, i Hajatiana sy i Yann Andrianasolo tera-tany Malagasy. Niatrika ny famaranana teo amin’ny 100 m tsotra izy mirahalahy omaly, saingy tsy nandrombaka medaly. Fahefatra i Haja raha fahadimy kosa i Yann.
Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Madagasikara teo amin’ny famaranana isan-tarika vehivavy, taranja badminton. Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianja Zone Forello Tanjombato, omaly.
Ady totohondry, nifarana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fifaninanana ho an’ny taranja ady totohondry, amin’ny lalaon’ny Nosy. Medaly volamena iray azon’i Alain Angino (-48 kg) sy medaly volafotsy 1 azon’i Marco Jerome (-54kg) no norombahin’i Madagasikara.