Nifarana, omaly, tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy ny fifaninanana « doubles » lahy sy vavy amin’ny taranja tenisy, ho an’ny lalaon’ny Nosy 2023. Miisa efatra ny medaly azon’ny Akomba de Madagascar, omaly, volamena 1 sy volafotsy 2 ary alimo 1. Ho an’ny vehivavy, norombahan’i Voavy Mitia sy Ranaivo Mialy ny medaly volamena rehefa nandresy an’i Ranaivo Narindra sy Voaviandraina Harena tamin’ny seta, 2 no ho 1 (6,4/4,6/10,6).
Ho an’ny lehilahy, nahazo ny medaly volafotsy Ranaivo Toky sy Andriamasilalao Lucas, rehefa resin’ireo Renioney, Giovanni Romeo sy Florent Bax tamin’ny seta 2 no ho 1 (3,6/7,5/8,10). Nahazo ny medaly alimo kosa Rasendra Fenosoa sy Rakotomalala Romeo, rehefa nanilika an’i Christopher sy Bazu, mpilalaon’i Maurice tamin’ny seta 2 no ho 1 (7,6/3,6/10,6).
Ankoatra izay, hanao ny lalao famaranana amin’ny « simples » lahy sy vavy ireo Ranaivo mianadahy. Ranaivo Toky hihaona amin’ilay Renioney, Florent Bax raha toa ka hifandona amin’i Pauline Payet, mpilalao La Reunion.