Tonga tany Mananjary sy Vohilava ny tomponandraikitry ny Banky foiben’i Madagasikara sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny 17 sy ny 18 aogositra teo. Nihaona tamin’ny manampahefana any an-toerana, ny orinasa iray mpitrandraka volamena, ny mpanangona sy mpanivana, izy ireo. Tanjona ny hananganana ny Tahirim-bolamena ao amin’ny BFM.
Mandray ny lisitr’ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany ny minisitera mpiahy. Misy ny adiresy http://annuaire.tourisme.gov.mg azon’ny mpandrarahara hanoratany ny mombamomba azy tsirairay. Nampahafantarina azy ireo tany Foulpointe, ny herinandro lasa teo, ity vovonana ity mba hidirana ao anatin’ny ara-dalàna.
Nisantatra ny taom-piotazana lavanila ny 28 jolay teo, ny any Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, morontsirak’Analanjirofo. Toraka izany koa ny distrikan’i Toamasina II, Brickaville ary Vatomandry. Nisokatra ny 11 aogositra kosa ny distrika Marolambo, Antanambao Manampotsy. Hifarana ny 17 septambra ny taom-piotazana.
Hanafatra katsaka avy any ivelany ny mpandraharaha tsy miankina. Manodidina ny 1 000 Ar ny kilao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hihoatra kely io vidiny io, rehefa miampy ny saram-pitaterana amin’ny sambo sy an-tanety. Manodidina ny
2 000 Ar/kg ny eto an-toerana, amin’izao fotoana.