Mitohy hatrany ny hetsika sy ranty maro samihafa eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ao anatin’ny « Village culturel des Jeux des îles ». Raha tsiahivina, toerana natokana hialana voly ho an’ny mpandray anjara mandritra ny lalaon’ny Nosy ity toerana ity. Ankoatry ny fampirantiana ny asa tanana sy fampisehoana haitao sy sakafo. Lasa toerana fifanakalozana ara-kolontsaina ihany koa ny eny an-toerana, indrindra ny eo amin’ny lafiny dihy sy hira. Samy maneho ny kantony sy ny fahaiza-manaony eny an-toerana ireo mpihira aty amin’ny ranomasimbe Indianina, indrindra ny avy eto Madagasikara.
Taorian’ny fampisehoana notanterahin’ny AGS, avy ao La Réunion, ny Pamaly. Nisy ihany koa ny tarika nafarana manokana haneho ny maha izy azy ny haikanto malagasy. Ankoatr’ireo mpihira niantsehatra nanao ny seho isaky ny hariva, Anisan’izany ny Bloco Malagasy sy ny Gasy Misôva. Misy koa ny fampisehoana iarahana amin’ny mpahay kanto malagasy maro, hita eny an-toerana koa ny filatroana sy ny “Cirques”, izay tena mahaliana ny mpitsidika.
Lin