VTM : « Tsy azo averina intsony izao fitondrana izao »

Hivory sy haka fanapahan-kevitra, ny 8 sy ny 9 septambra izao, ny Vondron’ny tanora (VTM) manoloana ny fifidianana filo­ham-pirenena. Nambaran’ny filohany, Rakotomalaza Désiré fa hijery kandidà mitovy foto-kevitra amin’izy ireo ny fikambanana ka hanohana sy hampandany izany amin’izany fihaonambe izany. « Tsy te hiaina sy hamerina ny tranga miseho eto amin’ ny firenena amin’izao fotoana izao intsony izahay», hoy izy. Nohitsin’izy ireo fa tsy tanteraka ny fampanantenana. Ny volamena nivadika korotam-by na tafaporitsaka any ivelany. Tsy hain’ny fanjakana ny mijery ny laharam-pahamehana. Seho ivelany sy rendrendrendra fotsiny nefa tena miaina fahasahiranana sy ny fahantrana ny vahoaka. Eo koa ny tsy fananan’ ny tanora asa, araka ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: