Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara isika, toa tsy misy raha manjary izany. Sahala amin’ny hoe dia mainty avokoa izay jerena. Mena mampatahotra daholo ny famantarana eny amin’ny fiarahamonina. Mahakivy sy mahavery fanahy mbola velona ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ampy intsony ny teny hilazana ny faharefoana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Raha tombanana amin’izay lafiny izay dia resy tanteraka Ramalagasy.
Diso anefa izany! Misy sehatra tena mahavelom-panantenana. Mampirehitra ny hambom-po sy mamparisika ny tsirairay mba hitafy fiezahana sy fikirizana. Vavolombelon’izany ny vokatra azon’ny atleta malagasy amin’izao lalaon’ny Nosy izao. Miraradraraka ny medaly volamena sy volafotsy ary ny alimo. Lohalaharana i Madagasikara amin’ny filaharana, ankapobeny. Mendrika ny mpilalao. Tsy mahamenatra ny mandokadoka sy mirehareha amin’ny ezaka vita. Fijery miabo!
Tsy maintsy atao manakoako ny vokatra tsara azo! Ny tiana ahatongavana dia fambolena kolontsaina mahay mankasitraka. Sanatrian’ny vava ny sakaizan’ny mpandresy fa izay mendrika dia dokafana sy ankalazaina. Anisan’ny fositra, mahatonga ny tsy fandrosoana rahateo ilay toe-tsaina mijery lava ny lafiratsim-piainana. Tsy misy loko mainty miampy mainty hivadika ho fotsy izany.
Betsaka ny lesona azo raisina amin’izao lalaon’ny Nosy, andiany faha 11, atao eto Madagasikara izao. Andaniny ny maha zava-dehibe ny fitazonana ny teny nomena, ankilany ny fisian’ny ezaka mangina kanefa tena ahitam-bokany. Tsy ilaina ny “te ho deraina” mialohan’ny fotoana.
r.r