Fanahian’ny mpanao politika: nanome toky ny hisian’ny fifidianana ny praiminisitra

Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tetsy Anosy, omaly fa hatao ny fifidianana ary efa navoaka ny tetiandro momba izany, miaraka amin’ny lalàna.

“Efa miditra amin’izany isika izao. Manamafy izany fa miroso isika ary mandray ny andraikiny ny Ceni sy ny goveremanta ahatongavana amin’ny fifidianana madio”, hoy izy. Notateriny koa ny dinika politika, andiany faha-11, niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE), natao omaly, ka anisan’ny voaresaka ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia. Ny fanomanana ny fifidianana sy ny fifandraisana eo amin’ny toekarena. “Nahitsy ny fifampiresahana ary tsy niolaka na izahay na ry zareo. Misy koa anefa ny tokony hahitsy”, hoy ihany ny praiminisitra. Nota­nisainy amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny UE. Eo ny lafiny angovo, ny tontolo iainana, ny tanora sy ny fampananana asa ary koa ny fandraharahana. Eo koa ny rano sy ny fa­namboaran-dalana ary ny fa­metrahana ny fanjakana tsara tantana.

Fanaraha-maso ny fifidianana

Nanamafy izany ny solontenan’ny UE, i Isabelle De­lattre, fa manohana ny fanaraha-maso ny fifidianana izy ireo ary iarahana amin’ny fiarahamonim-pirenena Safidy izany. “Ho avy ny manampahaizana manokana hanao tombana momba izany”, hoy izy. Natsi­diny sahady koa ilay fandaharanasa hamatsiana vola 325 tap Euros hatramin’ny taona 2024. Miompana amin’ny fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny rafi-pitsarana ary koa ny fahasalamana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanofanana arakasa sy ny angovo ary ny fampandrosoana ny any atsimo. Teo koa ny nanaovana sonia ho amin’ny tohodrano famokarana herinaratra any Volobe.

Synèse R.

Partager sur: