Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona tetsy Anosy, ireo fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), omaly. Nifampitaona ny solontenan’izy ireo araka ny talentany avy. Toy ny mpanotra, mpampiteraka, mpanao hasoavan-jaza, mpampiasa ravinkazo, mpanao ody may… Efa nisy mpitsabo nentim-paharazana 3- 5 isam-pokontany nanerana an’i Madagasikara, raha ny fitsirihana nataon’ny OMS tamin’ny taona 1996. “Maro ny mihevitra izany ho bizina ka mamotika sy manimba ireo karazan-javamaniry sy ala», hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenena mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara, Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona. Miantso ny hanatsarana sy handinihana ny didy fampiatoana ny asan’ny komity nasionalin’ny fitsaboana nentim-paharazana (CNMT) izy ireo. Nilaza izy fa tsy tanjona ny fanafoanana ny asan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto amin’ny Nosy. Tokony hatao ny fampiharana sy fanatsarana ny lalàna efa misy.
Mahatratra 13 000 ireo karazan-javamaniry ary tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny 80% amin’izy ireo. Voaisa ho fanafody ny 40% amin’izany. Tafiditra anatin’ny sehatry ny tontolo iainana, ara-pahasalamana, kolontsaina ary eo amin’ ny soatoavina maha Malagasy ny asan’ny mpitsabo nentim-paharazana. Anisan’ny fitaovana entin’izy ireo hitsaboana sy hikolokoloana ny fiainan’ny olona izany. Tsy mifanipaka ny fitsaboana moderina sy ny nentim-paharazana fa samy manana ny tandrify azy.
Mino